<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Aiza re no hahitako izay hampionona ny fo FFPM581</title>
<lyrics>[V1]
 Aiza re no hahitako
 Izay hampionona ny fo ?
 Iza re no handrandraiko
 Andrao dia tolan'ny manjo ?
 O ! ry ory sy mahantra
 Manatòna Ahy izao.
 He, ny foko feno antra,
 Hampiadana anao.

[V2]
 Aiza re no hahitako
 Izay hanala tahotra ?
 Fa ny lalana ombako
 Mahatoran-kovitra !
 Aza kivy, ry mahantra ;
 Manatòna Ahy izao.
 He, ny foko feno antra,
 Ampy hiafenanao.

[V3]
 Aiza re no hahitako
 Izay hamela heloka ?
 Indrisy re ity fahotako
 Tena mahaketraka !
 Ry sakaizako mahantra !
 Mba minoa Ahy izao ;
 He, ny foko feno antra,
 Hanavotako anao.

[V4]
 Ry Jesosy ô, malala !
 Fialofako Hianao ;
 Izaho tsy hisalasala
 Hiantoraka Aminao.
 Eny, manatòna Ahy
 Feno fitiavana ;
 Aza manana ahiahy ;
 Izaho no mpiantoka.</lyrics>
<hymn_number>581</hymn_number>
</song>